Cetamada | Etude des baleines à bosse (mg)
1830
page,page-id-1830,page-template-default,ajax_updown_fade,page_not_loaded,

Tetik’asa siantifika an’i Cetamada

Vontoatiny

Anisan’ireo biby arovana mba tsy ho lany tamingana ny trozona misy vombo. Amin’izao fotoana anefa dia efa iraisam-pirenenana ny fiarovana azy. Fantatra tamin’ny vokatry ny fanadihadiana ara-tsiantifika ny fomba fiaina natoralin’ ny trozona sy ny voka-dratsy ateraky ny fomba fianan’ny olona izay mety manimba ny tontolo an-dranomasina. Ankoatra izay, ny fanaovana fikarohana momba ny trozona eto amin’ny ranomasim-be indiana dia nanampy ireo mpikaroka ny amin’ny fahafantarana, ny habetsahan’izy ireo, ny toetoetra ananany, ary indrindra ny zavatra ataony sy ny fivezivezeny manerana ny ranomasina.

Izany fandinihana izany dia fantatra tamin’ny alalan’ny fomba fikarohana efatra samy hafa : ny fanaraha-maso, ny fandraisam-peo anaty rano amin’ny alalan’ny balizy elektronika ary ny fikarohana ny fototarazo.
Nanomboka ny taona 2007, tetik’asa fikarohana telo isa no nataon’i Cetamada: ny fikarohana mahakasika ny hira ataon’ireo trozona lahy na ny “Chants”, ny tetik’asa “BaoBaB” ary ny tetik’asa “Générations”. Ny fikarohana ara-tsiantifika izay atao dia manana tanjona voafaritra tsara dia ny fiarovanana ireo biby an-dranomasina sy  ny tontolony, ahafahana mahalala tsara sy  miaro ny trozona.

Ny olana mipetraka anefa dia mbola misy ihany ireo mihaza ireo trozona. Voarakitra ao anatin’ny lisitra menan’ny “International Union for Conservation of Nature” (IUCN, www.iucnredlist.org) izy ireo, ary efa eran-tany ny fiarovana azy amin’izao. 

Ny tanjona kendren’ireo programa siantifika moa dia ny hanangonana sy hampivondronana ireo voka-pikarohana azo, mba hahafahana mahalala tsara ny momba ireo trozona ireo ( ny karazany, ny fonenany, ny fivezivezeny)  ao anatin’ny tontolo iainany (ny fihetsik’ireo trozona manoloana ny zavatra ataon’ny olombelona).

Antsoin’ny Komity miaro ireo trozona iraisam-pirenena (http://iwcoffice.org) hoe “stock C “ ny karazan’ny trozona eto amin’ny ranomasim-be indiana. Ireo trozona ireo dia miparitaka makany amin’ny faritra antsinan’i Afrika atsimo sy Mozambika, (C1),makany  amin’ny Arisipela ny Kaomoro(C2), ary any amin’ny fari-dranomasin’i’i Madagasikara (C3),mandritry ny fotoana fananany anaka ary mizara mandritra ny fotoana ahafahany miteraka. Ankoatr’ireo faritra telo voatonona etsy ambony, dia ahitana azy ireo ihany koa ny Nosy La Réunion sy Nosy Maorisy (sary 1).

Sary 1 : Fiparitahan’ny trozona misy vombo mandritry ny fotoana fananana anaka (IWC, 2006)

Amin’izao fotoana izao, ny fiparitahana,  ny fizarazarana sy ny fifanankalozanaeo amin’ireo samy andiana trozona eo amin’ny toerana samihafa ao amin’ny “stock C” no fototry ny fikarohana ara-tsiantifika. Tanjonaroano kendrena amin’izany : ny fahafantarana ny haben’ny andiana trozona ary ny fiavoaran’izay ireo, ary ny fahafantarana ireo fivezivezeny rehefa amin’ireo fari-dranomasina samihafa ireo.
Ny fanaraha-maso ireo trozona dia ahafahana mamantatra ihany koa ny voka-dratsy ateraky ny fomba fiainan’ny olombelona amin’ny tontolo ianana an-dranomasina.

Tanjona

Misy fombaefatra samihafa ny fomba atao mba hanaovana fikarohana ireo biby miaina an-dranomasina. Hita fa mifameno tokoa ireo fomba efatra ireo, ary afaka ampiasaina miaraka,naampiasaina tsirairay. Izany dia miankina amin’ny fanontaniana ara-tsiantifika sy ny ho enti-manana ary ny zava-miseho.

Fombafanaraha-maso ireo trozona

Misy fombaefatra samihafa ny fomba atao mba hanaovana fikarohana ireo biby miaina an-dranomasina. Hita fa mifameno tokoa ireo fomba efatra ireo, ary afaka ampiasaina miaraka,naampiasaina tsirairay. Izany dia miankina amin’ny fanontaniana ara-tsiantifika sy ny ho enti-manana ary ny zava-miseho. 

Ny fanaraha-maso mivantana no fomba tena mahomby tsara  rehefa te hahafantatra ny trozona tsirairay sy ny fitsinjarany ary ny isany. Ny fandraisam-peo an-dranomasina izay natao tamin’ireo trozona no ahafahana mamantatra akaiky na alavitra ny misy azy  ireo ary ny fahafantarana ireony fihetsika ataony. Ny balizy elektronika indray dia natao mba ahafantarana ny fivezivezeny, indrindra rehefa midina any amin’ny faran’ny lalina amin’ny ranomasina izay tsy ahitana azy ireo ety ambonin’ny rano. Ireo balizy ireo dia natao hamantarana ny toerana fivezivezeny anaty rano. Ary farany , ny fikarohana mifandray amin’ireo fototarazo izay enti-mahafantantra ny sokajin’ireo trozona, ny fahasalamany sy ny karazany avy.

Sary 2 : fomba fanaraha-maso ireo trozona

Ireo tetik’asa ara-tsiantifika ataon’i Cétamada

Fikarohana telo isa no nataon’i Cetamada: “Chants” sy “BaoBaB” ary “Générations”.

“Chants” (2007-2011)

Ny feo avoakan’ny trozona lahy dia manana anjaran-toerana lehibe mandritra ny fotoana iraisany amin’ny trozona vavy amin’ny fahazahoana taranaka. Ny karazam-peo avoakany sy ny firafitr’izany no tena mahasarika rehefa manao fanaraha-maso, izay manampy ny asa voalohany izay nataon’i Payne sy Mc Vay (Sary 3). 

Akoatr’izay dia niasa momba ny fandalinana ny feon’ireo trozona ihany koa tamin’ny alalan’ny fikarohana anatomika izay mahakasika ny “sytème Laryngé”. Nanolo-kevitra izahay ny amin’ny ampiasana ny modely teorika akostika, mampiasa ny “théories des 4L”, ny “Low” ,a feo ambany, ny “Loud” na feo ambony, ny “Long” na ny feo lava ary “Loquacious”na ny fahazotoana mamoaka feo.
Tsapa tamin’izany ny faharisihana nisy teo amin’ireo trozona amin’ny famokarana ny feo.

Sary 3 : Famaritam-peon’ny trozona

Baobab (2012-2014)

Ny tanjona tamin’ity programa ity dia ny fahafantarana ny fihetsika ataon’ireo trozona eto Madagasikara. Ny paik’ady nentina nanantanteraka izany dia ny fampiasana ny balizy Argos izay manampy amin’ny fahafantarana  ireo fihetsika isan-karazany ataon’ireo trozona. 

Ireo balizy satelita ireo izany dia natao hamantarana ny fivezivezen’ireo trozona ao anaty ranomasina. Tamin’ny taona 2009, CLS Frantsa dia nanamarika fa nahavoaray hafatra iray tapitrisa mahery kely isanandro  avy amin’ireo balizy Argos 7000 nampiasain’ireo siantifika. 

Mba hanarahana akaiky ireo trozona ireo sy ny fomba hametahana ireo balizy, dia nisy ny laboratoara Amerikana sy Aostraliana nandray an-tanana izany, ka fomba roa no afaka nanaovana azy dia ny fampiasana ny lefona sy ny tady fampiasa amin’ny fiantsonan’ny sambo lehibe.

Amin’izao fotoana izao ary dia ekipa 6 eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no mandrafitra sy mampiasa io  tekonolojia io: Hatfiled Marine Science Center (USA, http://marineresearch.oregonstate.edu/assets/page_folders/faculty_page/mate_hp.htm), Alaska SeaLife Center (USA, http://www.sfos.uaf.edu/directory/faculty/andrews/), Mar-Eco (Norvège, (http://www.mar-eco.no/taggedwhales), Australian Centre for Applied Marine Mammal Science (Australie, http://www.aad.gov.au/acamms) sy National Marine Mammal Laboratory (USA, http://www.afsc.noaa.gov/nmml) ary CNRS-Cetamada (France-Madagascar).

Tsikaritra nandritra ny programa Baobab fa na dia kely aza ny isan’ireo trozona nametahana ireo Balizy Argos ireo , dia hita fa: 1) afaka mivezivezytsara izy eny fa na dia amin’ny fotoana fananany anaka aza  2) mihisaka makany amin’ny morontsirak’i Afrika, mandalo an’i Mayotte sy kaomoro ihany koa izy ireo (sary faha efatra)

Sary 4 : Fivezivezen’ny trozono avy any amin’ny nosy Sainte Marie

Ny marika Argos ao amin’ny sary no nahafahana mamaritra  ny toerana tiany sy misy ireo trozona, ny sokajin ary, ny fomba fananany taranaka. Ireo Argos ireo indrindra no porofo nanamarina fa ny trozona vavy dia monina kokoa manamorona ny morontsiraka noho ny trozona lahy.
Nandritra ny tetik’asa Baobab, dia nisy ny fametrahana toerana akostika tsy maharitra nahafahana maheno ny feon’ireo trozona ao amin’ny ranomasim-be indiana (sary 5) .”Hydrophones “ miisa 9no napetraka nihainoana ny feon’ireo trozona lahy nandritra ny fotoana firaisan’ny trozona lahy sy vavy tamin’ny taona 2013-2014.

Sary 5 : Sary mirakitra ny tambazotra “hydrophones” nampetraka tao Ste Marie tamin’ny taona 2013 – 2014

Ny fikarohana momban’ireo fototarazono nahafahana namaritra ny karazan’ireo trozona misy eto amin’ny ranomasina indiana. (Sary 6).

Sary 6 : Karazan’ny fototarazon’ireo  trozona misy vombo. Fampitahana amin’ny karazany hafa miaina aty amin’ny faritra atsimon’ny tany

Programa “Générations” 2015-2017

Ny tanjona teto dia ny hanaovana fikarohana momba ny reny trozona sy ny zanany vao teraka. Ilaina ny mahafantatra ny toerana misy ireo trozona vao teraka mihoatra amin’ny trozona hafa rehetra.
Nandritra ito tetik’asa ito no nahazahoana ny voka-pikarohana, tamin’ny alalan’ny fanaraha-maso mivantana toy ny fampiasana ny sambo, ny fampiasana ireny “drone” ireny izay manidina, ary ny fihainoana ny feo izay nalaina  tamin’ny alalan’ny balizy napetaka tamin’ny alalan’ny vantozy amin’ilay trozona. Ilaina tokoa io tekinolojia farany io amin’ny fandraisam-peon’ireo biby an-dranomasina.

Sary 7 : Fanaraha-maso mivantana amin’ny alalan’ny “drone” sy ny akotstika amin’ny alalan’ny “Acousonde”fa

Fehiny

Ny tanjon’ny Cetamada amin’ny fanaovana ireo tetik’asa siantifika ireo dia ny mba hiarovana ny biby an-dranomasina sy ny tontolo iainany.
Noho izany, i Cetamada dia mandray anjara lehibe amin’ny fanangonana ny voka-pikarohana, manaraka ny fombafomba nakatoavin’ny fikambanan’ny siantifika mpikaroka eran-tany, mba hanaraka ny etika sy tsy hanisy fanakorontanana be loatra eo amin’ny tontolo iainan’ny trozona ny fikarohana izay atao. Izany no natao dia  mba hahazoana vokatra fanadihadihana tsara azo halalinina hiarovana ireo trozona .
Cetamada dia mandray anjara amin’ny fandalinana ary manome lanja ny vokatra azo amin’izany manoloana ireo mpikaroka ary koa ny olon-drehetra. 
Eto am-pamaranana, ny Cetamada dia mandray dokotera, profesora tera-tany Malagasy na vahiny (frantsay,anglisy,amerikana,repoblika dominikanina) sy mpikaroka specialista laboratoara iraisam-pirenana isan-taona. Cetamada dia maneho fikasana hiara-hiasa foana amin’ny spesialista azo antokisana mba hahafahana mahafantatra tsara ny trozona misy vombo.